
Tayanie Snegov Pohozhie Filjmi
Ps3 update 450 download size. Kodak Brand Partner Products The information you are requesting may be for a product which is sold by a company considered a Kodak Brand Partner. In this case, contact our Kodak Brand Partner directly for SDS or product information. Aleksej Mironov. Rasskazy----- © Copyright Aleksej Mironov Email: mironoff@mail.lanck.net WWW: Date: 29 May 2003.
Menaka Balsama Tantarain’ny Baiboly koa hoe nitsidika an’i ny mpanjakavavin’i Sheba, ka nanome azy “talenta volamena roapolo amby zato”, ary “menaka balsama be dia be sy vatosoa. Ary betsaka tsy nisy toy izany ny menaka balsama nomen’ny mpanjakavavin’i Sheba an’i Solomona.” () Maro koa ny mpanjaka nandefa menaka balsama ho an’i Solomona ho mariky ny fihavanana.—. Nahoana ny zava-manitra no tena sarobidy sy lafo be, fahiny? Be mpitady izy ireny satria nilaina tamin-javatra maro, ohatra hoe nanatsarana tarehy na nampiasaina tamin’ny fivavahana na nikarakarana faty. (Jereo ilay hoe “ ”) Vola be koa ny nitaterana azy sy ny masonkarenany. Kasia Nisy zavamaniry natao hakana zava-manitra, tany amin’ny Lohasahan’i Jordana fahiny.
Nohafarana tany an-tany hafa kosa ny zava-manitra sasany. Maro ny zava-manitra voatonona ao amin’ny Baiboly.
Miverimberina ao, ohatra, ny safrona, aloesy, balsama, kanelina, ditin-kazo manitra ( oliban), ary miora. Eo koa ny zava-manitra fanao amin’ny sakafo, toy ny komina sy ny solila ( menthe) ary ny aneta. Avy taiza ireo zava-manitra tonga tany Israely? Avy tany Chine sy Inde ary Sri Lanka ankehitriny ny aloesy sy kasia ary kanelina.
Tany an-tany efitra, any amin’ny faritra atsimon’i Arabia ka hatrany Somalia, any Afrika, kosa no nisy an’ireo hazo lehibe sy madinika nakana miora sy ditin-kazo manitra. Tsy hita afa-tsy tany Himalaya, any Inde, kosa ny narda. “Tena tian’ny olona ny nivarotra zava-manitra satria be mpitady foana izy ireny sady kely fotsiny dia efa ahazoana vola be.” — Ny Boky Momba ny Zava-manitra Nisy mpivaro-mandeha nitondra zava-manitra be dia be foana tany an-tany efitr’i Arabia, ary namakivaky 1 800 kilaometatra teo ho eo izy ireo! () Milaza, ohatra, ny Baiboly fa nisy Ismaelita mpivarotra zava-manitra avy tany Gileada nankany Ejipta, nitondra “ditin-kazo ladanoma sy balsama ary hodi-kazo misy ditiny.” () Nivarotra an’i Josefa rahalahiny tamin’ireo mpivarotra ireo ny zanak’i Jakoba. Nanaovana menaka fanosorana sy emboka masina. Natoron’i Jehovah an’i Mosesy hoe ahoana no hanamboarana ny menaka masina fanosorana sy ny emboka manitra masina.
Samy nisy zava-manitra efatra izy ireo. () Nisy mpisorona notendrena hanamboatra menaka masina sy hanara-maso raha ampy tsara ireo zava-manitra ireo.—.
Natao tamin’ny vatana sy zavatra hafa. Nanisy vovo-javatra manitra tamin’ny tranony, ny akanjony, ny fandrianany, ary ny vatany izay olona nahavidy izany. () Nandraraka “menaka manitra lafo vidy be, izay narda tena izy”, teo amin’ny loha sy tongotr’i Jesosy i Maria anabavin’i Lazarosy. Tamin’ny tavoahangy kely ilay izy ary karama efa ho herintaona no vidiny.—. Nikarakarana faty. Nanome “miora sy hazo manitra”, na aloesy, i Nikodemosy mba hikarakarana ny fatin’i Jesosy. () Nisy mpianatr’i Jesosy nikarakara “zavamaniry mani-pofona sy menaka manitra” koa, ary nitondra izany teny amin’ny fasany.—.
Natao laron-tsakafo. Toa nampiasa zava-manitra ny Israelita mba hampahatsiro ny trondro sy ny hena. Nasiana zava-manitra koa ny divay mba hahery kokoa.—.